Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 37:8 - Baiboly Katolika

ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa ho avy indray ny Kaldeana dia hamely ity tanàna ity sady haka azy ary handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho avy indray kosa ny Babilônianina hanafika ity tanàna ity ka hahazo azy sady handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho avy indray kosa ny Babilônianina hanafika ity tanàna ity ka hahazo azy sady handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanàna ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa ho avy indray ny Kaldeana dia hamely ity tanàna ity sady haka azy ary handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko



Jeremia 37:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tananareo, entinareo miady any ivelan’ny manda, amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan’ny tanàna;


Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy; ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra Ahy.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity ka hodorany.


fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia horesenareo aza ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay miady aminareo, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.


Fa raha tsy mivoaka hanatona ny lehiben’ny mpanjakan’ny Babilôna kosa ianao: ity tanàna ity hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina, ka hodorany; ianao kosa tsy ho afa-mandositra azy ireo.»


Ny vady aman-janakao rehetra hoentina ao amin’ny Kaldeanina, ianao koa tsy ho afa-mandositra azy ireo, fa ho azon’ny mpanjakan’ny Babilôna, ary ianao no nandoro ity tanàna ity.»


Izao no lazain’i Iaveh: Hatolotra ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity, ka ho afany.»