Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 37:7 - Baiboly Katolika

7 Izao no teny hataonareo amin’ny mpanjakan’i Jodà naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik’i Faraôna izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin’ny taniny any Ejipta indray;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izao no lazaonareo amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hankaty Amiko mba hanontany Ahy: Indro, ny miaramilan’i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Ejipta taniny;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Ny mpanjakan’i Joda izay naniraka anareo hanontany Ahy dia ilazao hoe: Ny tafiky ny Farao, izay efa niainga mba hamonjy anareo, dia niverina ilalana ka nody any Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Ny mpanjakan’i Joda izay naniraka anareo hanontany Ahy dia ilazao hoe: Ny tafiky ny Farao, izay efa niainga mba hamonjy anareo, dia niverina ilalana ka nody any Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izao no lazaonareo amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hankaty Amiko mba hanontany Ahy: Indro, ny miaramilan’i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Ejipta taniny;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 37:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Lazao amin’ny mpanjakan’i Jodà izay naniraka anareo hanontany amin’i Iaveh, ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny amin’ny teny efa renao,


Tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, fa lasan’ny mpanjakan’i Babilôna avokoa izay an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, ka hatramin’ny ony Eofrata.


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin’i Ejipta; izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.


Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan’izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok’i Faraôna amin’izay rehetra matoky azy.


Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin’ny lalana mankany Ejipta, handeha hisotro ny ranon’i Nila? Ary inona ny ataonao eny amin’ny lalana mankany Asiria, handeha hisotro ny rano amin’ny Ony?


Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao! Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao, toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.


Avy any ianao dia hiverina, miloloha tanana; satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao, ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»


Izao no teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia, raha nirahin’i Sedesiasa mpanjaka, ho any aminy, i Fasora zanak’i Melkiasa sy i Sôfôniasa mpisorona, zanak’i Maasiasa, hanao aminy hoe:


«Masìna ianao, manontania an’i Iaveh ho anay, fa miady aminay i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna; angamba i Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagaga lehibe rehetra, mba hialan’ilay io aminay.»


Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»


Ny tafik’i Faraôna kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema, nony nandre izany, dia nanalavitra an’i Jerosalema.


Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:


Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.


Ary isika, nihavizaka ny masontsika, mbola miandry izay vonjy foana; eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo, izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.


Ary rehefa avy ny ady, ka hanandratra tovon-tany sy hanorenana manda handringanana olona maro dia tsy hiasa hanampy azy amin’ny tafika lehibe sy vahoaka maro i Faraôna.


Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.


Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta; hotapahiko ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra