Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 37:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ho avy indray kosa ny Babilônianina hanafika ity tanàna ity ka hahazo azy sady handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 fa ho avy indray ny Kaldeana dia hamely ity tanàna ity sady haka azy ary handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ho avy indray kosa ny Babilônianina hanafika ity tanàna ity ka hahazo azy sady handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanàna ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 37:8
9 Rohy Ifampitohizana  

izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.


Eo am-panafihana azy ny Babilônianina izao ka ho tafiditra ao an-tanàna, dia handrava sy handoro azy amin’ny afo, indrindra ireo trano izay nampahasosotra Ahy satria teo amin’ny tafony marin-tampona no nandoroana zava-manitra mifangaro ho an’i Bahala sy nanolorana fanatitra divay ho an’ireo andriamani-kafa.


«Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.


Ary na dia ho resinareo aza ny tafika babilônianina manontolo izay miady aminareo, ka tsy misy tavela afa-tsy olona maratra, dia mbola hitsangana tsirairay avy ao an-dainy ireny ka ho avy handoro ity tanàna ity amin’ny afo.› »


Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna kosa ianao, dia hatolotro eo an-tanan’ny Babilônianina ity tanàna ity ka hodorana amin’ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory.»


Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.


Ary hoy koa i Jeremià hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna tokoa ity tanàna ity ka ho azony.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra