Jeremia 36:10 - Baiboly Katolika Ary novakin’i Baròka tamin’izay, tao amin’ny boky ny tenin’i Iaveh, tao an-tranon’i Iaveh, amin’ny efitranon’i Gamariasa, zanak’i Safàna, mpanoratra, teo amin’ny kianja ambony, anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh, mba ho ren’ny vahoaka rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy; izany dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpitantsoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Koa teo imason’ny olona rehetra vory tao an-tranon’ny TOMPO no namakian’i Baròka mafy ny hafatr’i Jeremià voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy. Teo amin’ny efitrano natokana ho an’i Gemarià, zanakalahin’i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa teo imason’ny olona rehetra vory tao an-tranon’ny TOMPO no namakian’i Baròka mafy ny hafatr’i Jeremià voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy. Teo amin’ny efitrano natokana ho an’i Gemarià, zanakalahin’i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao an-tranon’i Jehovah ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy, dia tao amin’ny efi-tranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpanoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy; izany dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpitantsoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’NY TOMPO. |
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.
Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo. I Joatama no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh.
Dia nankao amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky; voatriatra ny fitafian’izy ireo, ary nolazainy taminy ny tenin’ny mpandroso divay ambony indrindra.
Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa mpanjaka, dia naniraka an’i Safàna, mpanoratra, zanak’i Aslia zanak’i Mesolama, ny mpanjaka ho any amin’ny tranon’i Iaveh, nanao hoe:
Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh.
Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.
taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:
ka nampidiriko tao an-tranon’i Iaveh, tamin’ny efitranon’i Hanàna, zanak’i Jegdeliasa, olon’Andriamanitra, anilan’ny efitranon’ireo loholona sy ao ambonin’ny efitranon’i Maasiasa, zanak’i Seloma mpiandry varavarana.
Nandre ny tenin’i Iaveh rehetra, tao amin’ny boky, i Mikea zanak’i Gamariasa zanak’i Safàna;
Efa nihanta mafy tamin’ny mpanjaka anefa i Elnatàna sy i Dalaiasa ary i Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratasy; fa tsy nohenoiny izy ireo.
Ka mandehana àry ianao, ary vakio ao amin’ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin’i Iaveh mba ho ren’ny vahoaka ao an-tranon’i Iaveh amin’ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren’izay rehetra an’i Jodà izay tonga avy any an-tanànany.
Dia nataon’i Baròka zanak’i Nerià avokoa, izay nandidian’i Jeremia mpaminany azy; novakiny tao an-tranon’i Iaveh, tao amin’ny horonan-taratasy ny tenin’i Iaveh.
Fa i Baròka zanak’i Nerià, no nanome fo anao hamely anay, mba hanolotra anay ho eo an-tanan’ny Kaldeanina, hahafaty anay sy hahalasan-ko babo anay any Babilôna.»
Ny tao an-tanàna koa, nangalany manamboninahitra anankiray, mpifehy ny olo-mpiady, olona fito lahy, anisan’ny mpanolo-tsaina manokan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny komandin’ny miaramila, miadidy ny fanoratana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary ankapobem-bahoaka amin’ny tany 60 lahy izay hita tao an-tanàna.
Nisy efitrano mbamin’ny varavarana momba azy, teo anilan’ny andrin’ny vavahady; teo no nanasana ny sorona dorana.