Ka indro hangoniko any amin’ny razanao ianao, hangonina amim-piadanana ianao any amin’ny fasanao, fa tsy mba hahita ny loza rehetra hampidiriko amin’ity fitoerana ity ny masonao.» Dia nitondra izany valiny izany ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
Jeremia 34:5 - Baiboly Katolika fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan’ny olona zava-manitra ho an’ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao: «Indrisy! ry tompo!» satria Izaho efa nilaza izany, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa amin’ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireo mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko! Izaho no milaza izany, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!» Baiboly Protestanta Malagasy fa amin’ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy! ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah. Malagasy Bible fa amin'ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireny mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko; fa Izaho no efa nilaza izany, hoy Jehovah. La Bible en Malgache fa amin’ny fiadanana no hahafatesanao, ary handoro zavatra ho fisaonana anao ny olona, tahaka ny nandoroany ho fisaonana ny razanao, dia ireo mpanjaka fahiny tany alohanao, ary hitomany anao ny olona hoe: Indrisy ry tompoko! Izaho no milaza izany, hoy NY TOMPO. |
Ka indro hangoniko any amin’ny razanao ianao, hangonina amim-piadanana ianao any amin’ny fasanao, fa tsy mba hahita ny loza rehetra hampidiriko amin’ity fitoerana ity ny masonao.» Dia nitondra izany valiny izany ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.
Indro fa hangoniko any amin’ny razanao ianao, dia ho voangona amim-piadanana ao am-pasanao ka tsy hahita maso ny loza rehetra hampidiriko amin’ity tany ity sy amin’ny mponina eo aminy.» Dia nentin’izy ireo ho any amin’ny mpanjaka izany valy azony izany.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!
Henoy anefa ny tenin’i Iaveh, ry Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà! Izao no lazain’i Iaveh aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,
Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh, voasambotra tao an-davak’izy ireo, dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony, no ho velona any amin’ny firenena isika.»
Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - dia any amin’ny tanànan’ilay mpanjaka nampanjaka azy nanamavoany ny fihavanany, nivadihany fanekena, any amin’io any Babilôna no hahafatesany.
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra, ka nandeha mandritra ny alina manontolo dia nanesotra ny fatin’i Saola sy ny fatin-janany teo amin’ny mandan’i Betsàna vao niverina tany Jabesa, dia nodorany tao ireo.