Jeremia 33:4 - Baiboly Katolika Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo trano eto amin’ity tanàna ity, mbamin’ireo tranon’ny mpanjakan’i Jodà izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra, DIEM PROTESTANTA Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity Sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, Izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra, Malagasy Bible Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra, La Bible en Malgache Fa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ny trano amin’ity tanàna ity sy ny amin’ny lapan’ny mpanjakan’ny Joda, izay noravana tamin’ny tovon-tany sy ny sabatra, |
Eo amin’ny tanin’ny vahoakako, tsilo sy hery no maniry, na dia eo ambonin’ny trano firavoravoana rehetra aza ao amin’ny tanàna ravoravo.
Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen’ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.
Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy, amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Kapao ny hazony; manaova tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io no tanàna hovaliana, fa tsy misy afa-tsy faharatsiana ao anatiny.
Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo sy madikidiky amin’ny fitoerany masina. Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapany; dia nisy nihorakoraka toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.
Hovonoiny amin’ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety, hanorina manda hamelezana anao izy, hanandratra tovon-tany hamelezana anao, handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.
Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy; ary ametraho lohondry vy manodidina azy.
Izy io dia mihomehy izay mpanjaka, mihanihany izay mpifehy; ny trano mimanda rehetra ihomehezany, vovo-tany no asavovony dia afany ireny.
Fa ny hazo fantatrao fa tsy fihinam-boa kosa, dia azonao levonina sy alavo ihany ka hanaovanao milina hamelezana ny tanàna miady aminao, mandra-paharesiny».