Efa nilazan’i Iaveh anefa i Ahiasa, nataony hoe: «Indro tamy ny vadin’i Jerôbôama mba hahazo teny indraimbava aminao ny amin’ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rehefa tonga.»
Jeremia 32:7 - Baiboly Katolika «Indro ho avy atỳ aminao i Hananeela zanak’i Seloma rahalahin-drainao, hanao hoe: ‹Vidio ny sahako ao Anatôta, fa manana ny rariny hanavotanao azy ianao, ka azonao vidina.› » Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro i Hanamela, zanak’i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hiteny hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. DIEM PROTESTANTA –Ho avy any aminao i Hanamèla, zanakalahin’i Salòma rahalahin-drainao momba ny sahany ao Hanatôta. Hiangavy anao izy mba hividy io saha io, satria ianao no havany akaiky ka manan-jo hanavotra hividy azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ho avy any aminao i Hanamèla, zanakalahin’i Salòma rahalahin-drainao momba ny sahany ao Hanatôta. Hiangavy anao izy mba hividy io saha io, satria ianao no havany akaiky ka manan-jo hanavotra hividy azy. Baiboly Protestanta Malagasy Indro Hanamela, zanak’i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa hianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. Malagasy Bible Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. La Bible en Malgache Indro i Hanamela, zanak’i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hiteny hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. |
Efa nilazan’i Iaveh anefa i Ahiasa, nataony hoe: «Indro tamy ny vadin’i Jerôbôama mba hahazo teny indraimbava aminao ny amin’ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rehefa tonga.»
Tenin’i Jeremia zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
Ka dia izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo olona ao Anatôta, izay mitady ny ainao, sy manao hoe: Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh, raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao!
Dia tonga tatỳ amiko tokoa tao amin’ny kianja fiambenana araka ny tenin’i Iaveh i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: «Mba vidio ny sahako ao Anatôta, amin’ny faritanin’i Benjamina, fa manana ny rariny handoavanao sy hanavotanao azy ianao, ka mba vidio àry.» Fantatro tamin’izany fa tenin’i Iaveh izany.
Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa Ahy ny tany; ary ianareo hipetraka atỳ amiko toy ny vahiny sy olona mpiavy fotsiny.
Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin’ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.
Ny saha manodidina ny tanànan’ny Levita, dia tsy hamidy fa fananany mandrakizay izany.
na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy mahazo manavotra azy; na ny iray amin’ny havany akaiky mahazo manavotra azy; na ny tenany, rehefa mba mahazo harena izy, dia hiavo-tena.
«Omeo didy ny zanak’i Israely hanome tanàna ho an’ny Levita avy amin’ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita.