Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»
Jeremia 32:43 - Baiboly Katolika Mbola hividy saha amin’ity tany ity ny olona, izay lazainareo hoe: tany lao tsy misy olona na biby intsony, efa natolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana. DIEM PROTESTANTA Hisy fividianana saha indray eto amin’ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an’i Nebokadnetsara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisy fividianana saha indray eto amin’ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an’i Nebokadnetsara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ny Kaldeana. Malagasy Bible Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana. La Bible en Malgache Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe: Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana. |
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»
Ary Ianao, ry Iaveh Tompo ô, nanao tamiko hoe: Vidio vola io saha io ho anao, ka asio vavolombelona; ary ny tanàna ity voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina!...»
Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny amin’ity tanàna lazainareo hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, amin’ny sabatra, ny mosary, ny pesta, izy.»
Izao no lazain’i Iaveh: Eto amin’ity tany ity, izay lazainareo hoe; «Efitra tsy misy olona na biby», eo amin’ny tanànan’i Jodà, mbamin’ny araben’i Jerosalema, izay efa lao monina tsy misy olona, na mponina, na biby,
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Eto amin’ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin’ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an’ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.
Honina ao izy tsy amin’ahiahy; hanorin-trano sy hamboly voaloboka, honina ao tsy amin’ahiahy izy ireo, rehefa vitako ny fitsarana an’izay rehetra mpifanila aminy sy maneso azy. Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Andriamanitr’izy ireo Aho.