Iza moa no velona tsy hahita fahafatesana, ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin’ny herin’ny Seoly? - Selà
Jeremia 30:9 - Baiboly Katolika fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, sy an’i Davida mpanjakany, izay hatsangako ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa hanompo NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany izay hatsangako ho azy izy. DIEM PROTESTANTA fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an’i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an’i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianao hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao Sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao. Malagasy Bible Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao. La Bible en Malgache fa hanompo NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany izay hatsangako ho azy izy. |
Iza moa no velona tsy hahita fahafatesana, ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin’ny herin’ny Seoly? - Selà
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hananganako ho an’i Davida solofo marina; hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. -
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»
nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.»
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely.
Ary voalazany fa natsangany ho velona Izy, ka tsy hiverina amin’ny lo intsony, tamin’ny teny hoe: Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an’i Davida;
Fa noho ny maha mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny teny napetrak’Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin’ny taranany no hapetrany handimby azy amin’ny fanjakany,