Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 28:8 - Baiboly Katolika

Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin’ny andro ela, dia efa naminany ady sy loza ary pesta, ho amin’ny tany maro amam-panjakana lehibe

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Efa nisy tokoa mpaminany hatry ny ela talohanao sy talohako. Ireny mpaminany ireny dia manambara hafatra tamin’ireo tany matanjaka sy fanjakana malaza; nefa ady sy loza ary areti-mandringana no nambarany mazàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Efa nisy tokoa mpaminany hatry ny ela talohanao sy talohako. Ireny mpaminany ireny dia manambara hafatra tamin’ireo tany matanjaka sy fanjakana malaza; nefa ady sy loza ary areti-mandringana no nambarany mazàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.

Jereo ny toko



Jeremia 28:8
25 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»


Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»


Dia hoy ny mpanjakan’i Israely namaly an’i Jôsafata: «Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh, dia i Mikea, zanak’i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany.» Ka hoy i Jôsafata: «Aza manao izany, ry mpanjaka.»


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Ny tsipìkany handripaka ny zatovo; ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra; ny zaza tsy hiantran’ny masony.


Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:


Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.


Tonga fanindroany tamin’i Jônasy ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: