Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 27:7 - Baiboly Katolika

Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ny fotoana hamaliana ny tanin’izy io kosa, dia hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ny fotoana hamaliana ny tanin’izy io kosa, ka hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ny fotoana hamaliana ny tanin’izy io kosa, dia hampanompoin’ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.

Jereo ny toko



Jeremia 27:7
29 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny.


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.»


Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, - teny marin’i Iaveh, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.


Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:


Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»


Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta:


Tamin’ny taona faha-37 nahababo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, volana faha-12, andro faha-25n’ny volana tamin’ny taona vao nanjakan’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, dia nampitràka ny lohan’i Joasina mpanjakan’i Jodà izy io, ka navoakany hiala tao an-tranomaizina.


Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko, ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany; hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.


Tsy hitsangana tampoka va ireo tompon-trosa, tsy hifoha va ireo mpanompo anao ka ianao kosa indray, moa tsy ho rembiny?


Noho ianao namabo firenena maro, dia mba hobaboin’ny firenena sisa rehetra kosa, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny fandozàna natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.


Nanaraka an’io, dia nisy Anjely anankiray hafa nanao hoe: «Rava, rava, i Babilôna lehibe, ilay nampisotro ny firenena ny divaim-pahatezerana tamin’ny fijangajangany.»


Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.