Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Jeremia 27:20 - Baiboly Katolika izay tsy nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fony izy nitondra ho babo, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehiben’i Jodà sy i Jerosalema rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy teto Jerosalema ho any Babilona, mbamin’ny manankaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema, DIEM PROTESTANTA I Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilôna fony izy nitondra an’i Jekonià, zanakalahin’i Joîakima sady mpanjakan’i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.) Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilôna fony izy nitondra an’i Jekonià, zanakalahin’i Joîakima sady mpanjakan’i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.) Baiboly Protestanta Malagasy dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin’ny manan-kaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema,– Malagasy Bible dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, La Bible en Malgache dia izay tsy nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, fony izy nitondra an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, ho babo avy teto Jerosalema ho any Babilona, mbamin’ny manankaja rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema, |
Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’i Joasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.
Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna avokoa ny fanaka teo an-tranon’i Iaveh, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon’i Iaveh, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an’ireo filohany.
Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?
Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo fanaka sisa ao an-tranon’i Iaveh, sy ao an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà ary ao Jerosalema:
nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;
Ny teny avy amin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, tamin’ny andron’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:
i Josiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rehefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.