Jeremia 27:13 - Baiboly Katolika Nahoana ianareo, dia ianao sy ny vahoakanao, no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, araka ny voalazan’i Iaveh hanjò ny firenena tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilôna? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahoana no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ny vahoakanao, araka ny nolazain’NY TOMPO ny amin’ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilona? DIEM PROTESTANTA Fa nahoana moa no tsy maintsy ho faty amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao? Izany no hanjo ny firenena rehetra izay tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babilôna araka izay voalazan’ny Tompo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nahoana moa no tsy maintsy ho faty amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao? Izany no hanjo ny firenena rehetra izay tsy manaiky hanompo ny mpanjakan’i Babilôna araka izay voalazan’ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy Nahoana no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana hianareo, dia hianao mbamin’ny vahoakanao, araka ny nolazain’i Jehovah ny amin’ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babylona? Malagasy Bible Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona? La Bible en Malgache Nahoana no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ny vahoakanao, araka ny nolazain’NY TOMPO ny amin’ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilona? |
Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.
Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo, any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany, ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana, any amin’ny tany rehetra handroahako azy.
Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.
«Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.
Fa hoy ny navalin’i Jeremia: «Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon’i Iaveh amin’izay ambarako aminao, dia hahita soa amin’izay ianao ary ho voavonjy ny ainao.
Ny vady aman-janakao rehetra hoentina ao amin’ny Kaldeanina, ianao koa tsy ho afa-mandositra azy ireo, fa ho azon’ny mpanjakan’ny Babilôna, ary ianao no nandoro ity tanàna ity.»
Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby,
Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.
Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»