Jeremia 26:22 - Baiboly Katolika Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nefa nandefa iraka nankany Ejipta i Joiakima mpanjaka, dia i Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Fa i Jôiakima mpanjaka naniraka an’i Elnatàna zanakalahin’i Akbôra mbamin’ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa i Jôiakima mpanjaka naniraka an’i Elnatàna zanakalahin’i Akbôra mbamin’ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Egypta. Malagasy Bible ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta. La Bible en Malgache nefa nandefa iraka nankany Ejipta i Joiakima mpanjaka, dia i Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Ejipta. |
sady nanome didy an’i Helkiasa mpisorona, sy i Ahikama zanak’i Safàna, sy i Akobôra zanak’i Mikà, sy i Safàna mpanoratra, ary i Asaiasa mpanompon’ny mpanjaka hoe:
Dia nandeha i Helkiasa mpisorona, i Ahikama, i Akorôba, i Safàna, ary i Asaiasa nankany amin’i Holdà mpaminany vavy vadin’i Seloma, zanak’i Tekoà, zanak’i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin’ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,
taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:
ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra.
Efa nihanta mafy tamin’ny mpanjaka anefa i Elnatàna sy i Dalaiasa ary i Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratasy; fa tsy nohenoiny izy ireo.
naniraka haka an’i Jeremia, tao an-kianjan’ny fiambenana; dia napetrany tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna izy, hoentiny any an-trano, ka dia nitoetra teo amin’ny vahoaka izy.
Ary nisy 70 lahy, amin’ny loholon’ny taranak’i Israely, ka anisan’ireo i Jezoniasa zanak’i Safàna, ary nitsangana teo anoloan’izany sary izany ireo; samy nanana ny fanembohany teny an-tanany avy, ka nisondrotra avy eo ny hanitry ny emboka nijofo.