Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
Jeremia 23:9 - Baiboly Katolika Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina. DIEM PROTESTANTA Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe: Baiboly Protestanta Malagasy NY amin’ireo mpaminany. Montsamontsana ato anatiko ny foko, Mangozohozo ny taolako rehetra, Toy ny olona mamo aho, Ary toy ny lehilahy leon-divay, Noho ny amin’i Jehovah Sy noho ny teniny masina. Malagasy Bible Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina. La Bible en Malgache Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina. |
Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
Fantatrao ny latsa mahazo ahy, ny fahamenarako sy fahafaham-barakako; eo anatrehanao daholo ny mpanenjika ahy.
Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.
Migagà ianareo, ka aoka hitanàka foana ianareo! Manajambà tena ianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.
Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»
Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.
Nony efa nandre izany teny rehetra izany izy ireo dia nifampijery tamin-tahotra, ka nanao tamin’i Baròka hoe: «Tsy maintsy ambaranay amin’ny mpanjaka avokoa izany teny rehetra izany.»
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Izao no tenin’i Iaveh Tompo: Loza ho an’ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!
ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
Na anti-dahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Tao ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina, manomboka.» Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
Izaho dia olona tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana,