Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 22:29 - Baiboly Katolika

Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô, henoy ny tenin’i Iaveh!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ry tany! Ry tany! Ry tany! Henoy ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ry tany! Ry tany! Ry tany! Henoy ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Jeremia 22:29
9 Rohy Ifampitohizana  

Manatòna hihaino, ianareo firenena, mampandria sofina, ianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin’ny vokatra rehetra avy aminy.


Mihainoa, ry tany: Indro fa misy loza entiko hamely ity vahoaka ity, dia ny vokatry ny hevi-dratsiny; satria tsy nihaino ny teniko izy ireo; sady nandà ny lalàko.


Dia hoy Izy tamiko: «Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Iaveh!


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin’izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin’ny lapan’ny fahamasinany!


«Koa soraty izao tononkira izao. Ampianaro ny zanak’i Israely, ary ataovy eo am-bavany mba ho vavolombelona hoentiko miampanga ny zanak’i Israely izany tononkira izany.


Mampandria sofina, ry lanitra, fa hiteny Aho; ary aoka ny tany hihaino ny teny haloaky ny vavako.


dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa vetivety foana ianareo, dia ho fongotra eo amin’ny tany izay halehanareo hakanareo azy ho fanananareo, amin’ny fitànareo an’i Jordany; tsy ho lava andro eo ianareo, fa haringana mihitsy.