Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
Jeremia 22:12 - Baiboly Katolika fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, ka tsy hahita ity tany ity intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo, ary tsy hahita ity tany ity intsony. DIEM PROTESTANTA Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo Ka tsy hahita ity tany ity intsony. Malagasy Bible Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony. La Bible en Malgache fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo, ary tsy hahita ity tany ity intsony. |
Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.
I Eliasima zanak’i Josiasa no natsangan’i Faraôna Nekao ho mpanjaka, hisolo an’i Josiasa rainy, ary novany hoe i Jôakima ny anarany. Fa i Jôakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy. Tsy hitomaniana izy hatao hoe Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Ho lany ringana any amin’ny firenen-kafa ianareo, ary ho lanin’ny tanim-pahavalonareo.