Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 20:1 - Baiboly Katolika

Nandre an’i Jeremia nanonona izany faminaniana izany i Fasora mpisorona zanak’i Amera, izay mpitandrina ambony ny tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Pasora, zanak’i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’i Jehovah, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Pasora, zanak'i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko



Jeremia 20:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, sy i Sôfônia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.


an’i Belgà ny faha-15, an’i Emera ny faha-16


i Azariasa zanak’i Helkiasa zanak’i Mosalama zanak’i Sadaoka zanak’i Maraiôta zanak’i Akitoba, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra;


Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.


Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo ianareo; ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.»


Natsangan’i Iaveh ho mpisorona, hisolo an’i Jôiadà mpisorona ianao, mba hisy mpitandrina ao an-tranon’i Iaveh momba izay olona rehetra manao azy ho nahazo tsindrimandry sy ho mpaminany mba hitananao azy amin’ny boloky na gadra.


Ary nisafoaka tamin’i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy izy ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin’ny tranon’i Jonatàna mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Piera sy i Joany, dia indreo tonga ny mpisorona maro, sy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly, ary ny Sadoseanina,


Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany.