Ary hoy i Davida tamin’i Oria: «Mitoera ihany àry atỳ amiko; fa rahampitso dia halefako ianao.» Dia nitoetra tany Jerosalema ihany i Oria androtr’izay sy ny ampitson’izay.
Jeremia 2:22 - Baiboly Katolika Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao, ka hataonao betsaka ny siravondrona, mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Na dia misasa ny tenanao toy ny fanasa lamba aza ianao ka hampiasa savony betsaka, dia tsy ho afaka ny fahadisoanao fa ho toy ny tseroka eo anatrehako, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na dia misasa ny tenanao toy ny fanasa lamba aza ianao ka hampiasa savony betsaka, dia tsy ho afaka ny fahadisoanao fa ho toy ny tseroka eo anatrehako, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY. Baiboly Protestanta Malagasy Fa na dia misasa sirahazo aza hianao Ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, Ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, Hoy Jehovah Tompo. Malagasy Bible Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo. La Bible en Malgache Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. |
Ary hoy i Davida tamin’i Oria: «Mitoera ihany àry atỳ amiko; fa rahampitso dia halefako ianao.» Dia nitoetra tany Jerosalema ihany i Oria androtr’izay sy ny ampitson’izay.
apetrakao eo anoloanao ny helokay; ary eo amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ny fahadisoanay takona.
Fa eny amin’ny lalany rehetra ny masoko, ka tsy miafina eo anatrehan’ny Tavako izany; ary tsy takona amin’ny fijeriko ny helony.
Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany, sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.
Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahina ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahina! Loary tsirairay ny didin-kena, aza anaovana filokana,
Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba i Iaveh: Raha hohadinoiko mandra-piavin’ny farany, izay rehetra nataon’izy ireo.