Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,
Jeremia 18:7 - Baiboly Katolika Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray, ny amin’ny fanjakana iray hoe: hongotana, hazera, horavana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy; DIEM PROTESTANTA Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho. Baiboly Protestanta Malagasy Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana Hongotako sy hazerako ary horavako; Malagasy Bible Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako; La Bible en Malgache Mbetika Aho dia milaza ny amin’ny firenena sy fanjakana iray fa hongotako sy hazerako ary horavako izy; |
Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,
ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»
Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.
Raha manohy ny fonenana amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, hamboleko fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izay efa noarîko ravàko, izay efa namboleko ongotako; dia izao tany rehetra izao.
Ary na dia efa nilaza tamin’ny ratsy fanahy aza Aho nanao hoe: «Ho faty marina ianao», raha miala amin’ny fahotany izy, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,
Indro, ny mason’ny Tompo Iaveh mifàntoka amin’ny fanjakana mpanota; ka hofongorana tsy ho eo ambonin’ny tany izy. Nefa tsy dia hofongorako manontolo tsy akory ny taranak’i Jakôba, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»