10 Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo dia haoriko ianareo fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo.
10 Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany hianareo, dia haoriko hianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko hianareo, fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo.
10 Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.
10 Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo dia haoriko ianareo fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo.
Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.
Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?
Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, - teny marin’i Iaveh, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy.
Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.
Ary ho fantatry ny firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho Iaveh dia nanorina indray ny efa rava, namboly ny efa fongotra. Izaho Iaveh sady nilaza no manatanteraka!
Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»
Fa homen’i Iaveh rariny ny vahoakany, ary nony mpanompony dia hanenina izy, rehefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.