Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 17:7 - Baiboly Katolika

Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh, sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa hotahîna izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hotahîna izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, Dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny.

Jereo ny toko



Jeremia 17:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.


Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.


Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky Azy.


Ny sasany mitoky amin’ny kalesiny; ny sasany amin’ny soavaliny; fa isika kosa miantso ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika.


Ny Anjelin’i Iaveh mitoby, manodidina izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.


Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh, sy matoky Azy.


Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!


Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny.


Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny; ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.


Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!


Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.


Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -


Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny Anaran’i Iaveh.


mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.