ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba, ry vohitra miravoravo? Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra, na lavo an’ady.
Jeremia 14:18 - Baiboly Katolika Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona. DIEM PROTESTANTA Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona. Baiboly Protestanta Malagasy Raha mivoaka any an-tsaha aho, Dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, Dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ny tany tsy fantany. Malagasy Bible Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany. La Bible en Malgache Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona. |
ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba, ry vohitra miravoravo? Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra, na lavo an’ady.
Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;
Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?› ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.
Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa nihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe samy manao filàna tsy marina avokoa; hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona samy mamitaka avokoa.
Aza mivoaka ho any an-tsaha, na mandeha eny an-dalambe, fa mitan-tsabatra ny fahavalo, misy fangorohoroana manodidina.
Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.
Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!
Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.
Sambatra ireo matin-tsabatra, noho iretsy matin’ny hanoanana, izay mihareraka tsikelikely, maratra, noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!
Ny sabatra, eny ivelany; ny pesta sy mosary, ao anatiny; ary ny eo an-tanàna, ho levon’ny mosary sy ny pesta.
Koa noho izany nataoko madio nify ianareo teny an-tanànanareo rehetra teny sy mosaren-kanina eny amin’ny fonenanareo rehetra; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!
Hampandehanin’i Iaveh ianao sy ny mpanjaka natsanganao ho lohanao, ho any amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razanao, dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo any ianao,
Haelin’i Iaveh any amin’ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany ianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.