Jeremia 14:18 - DIEM PROTESTANTA18 Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona. Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Raha mivoaka any an-tsaha aho, Dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, Dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ny tany tsy fantany. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany. Jereo ny toko |
Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»