Jeremia 13:23 - Baiboly Katolika Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary ianareo va hety hanao ny tsara? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa mahova ny hodiny va ny Kosita? Ary mahova ny sorany va ny leoparda? Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy? DIEM PROTESTANTA Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiôpianina na afaka hanova ny sorany ve ny leôparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiôpianina na afaka hanova ny sorany ve ny leôparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo! Baiboly Protestanta Malagasy Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, Ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa hianareo izay efa zatra nanao ratsy. Malagasy Bible Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy. La Bible en Malgache Moa mahova ny hodiny va ny Kosita? Ary mahova ny sorany va ny leoparda? Toy izany koa, moa mahay manao ny tsara va ianareo izay efa zatra nanao izay ratsy? |
Na hototoinao ao an-daona aza ny adala, tahaka ny fitoto vary amin’ny fanoto, tsy hisaraka aminy ny hadalany tsy akory.
Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.
Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao, ka hataonao betsaka ny siravondrona, mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao, - teny marin’i Iaveh. -
Ny nikapohako ny zanakareo, foana; fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo; ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo, hoatra ny liona mpandripaka.
Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Monina eo afovoan’ny minia tsy marina ianao; fa minia tsy marina izy ireo no mandà tsy hahalala Ahy, - teny marin’i Iaveh. -
Nambara tamin’i Saola izany, ka naniraka olon-kafa izy, ary naminany koa ireo. Dia naniraka olona fanintelony indray i Saola nefa naminany ihany koa ireo.