Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 13:13 - Baiboly Katolika

Ary ianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: «Indro hofenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin’ity tany ity, mbamin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny mpisorona ama-mpaminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ity tany ity, Dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ny seza fiandrianan’i Davida, Sy ny mpisorona sy ny mpaminany Ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko



Jeremia 13:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.


Tsia fa Andriamanitra no manao ny fitsarana: ny iray aetriny, ny iray asandrany.


Migagà ianareo, ka aoka hitanàka foana ianareo! Manajambà tena ianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.


Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!


Mifohaza, mifohaza, miarena ianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoakan’ny hatezerana, avy amin’ny tanan’i Iaveh; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina!


Koa mihainoa izao, ry Ikala fadiranovana, jenjina, fa tsy amin-divay!


Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena; nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo; ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.


Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.» Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va, fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»


Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»


Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» - teny marin’i Iaveh.


Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny, ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny, ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, - izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.


Kapoaka volamena teny an-tanan’i Iaveh i Babela, nahamamo ny tany rehetra izy; nisotro ny divainy ny firenena ka tonga mibedibedy foana ny firenena.


Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra; misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao; havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh; ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.