Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 13:1 - Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin’ny tehezanao fa aza atao anaty rano.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Andeha mividy fehikibo lamba rongony ho anao ka afehezo amin’ny kibonao fa aza alona ao anaty rano.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony ho anao ka afehezo ny kibonao izany, nefa aza alona rano.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony ho anao ka afehezo ny kibonao izany, nefa aza alona rano.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

IZAO no nolazain’i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Andeha mividy fehikibo lamba rongony ho anao ka afehezo amin’ny kibonao fa aza alona ao anaty rano.

Jereo ny toko



Jeremia 13:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh: «Toy ny nandehanan’i Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an’i Ejipta sy i Etiôpia izy,


Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona, no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, - teny marin’i Iaveh, - mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino Ahy izy.»


«Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny Teniko.»


Izao no voalazan’i Iaveh: Mandehana mividy tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,


Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.


«Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno eo anatrehan’ny lehilahy amin’i Jodà, ataovy ao anaty simenitra eo amin’ny ngorodona taila, izay anoloan’ny tranon’i Faraôna, ao Tafnesa;


Vao tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, namatorany ny tongotra aman-tanan’ny tenany, ka hoy izy hoe: «Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Hafatotry ny Jody any Jerosalema toy izao ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hatolony eo an-tanan’ny Jentily.»


Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany;