Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:2 - Baiboly Katolika

2 «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny Teniko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mitsangàna ka midìna ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga; any no hampandrenesako anao ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 –Mitsangàna, ary midîna any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesako anao ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Mitsangàna, ary midîna any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesako anao ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mitsangàna ka midìna ho any amin’ny tranon’ny mpanefy tanimanga; any no hampandrenesako anao ny teniko.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:2
10 Rohy Ifampitohizana  

tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.


Izao no lazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin’ny tehezanao fa aza atao anaty rano.»


Ny teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, toy izao:


Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.


Raha nanatrika ny fisainako izy, dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako; ka ho namerina azy hiala amin’ny lalan-dratsiny izy, sy amin’ny faharatsian’ny ataony.


Izao no nasehon’i Iaveh tamiko: dia indro fa nitsangana teo ambonin’ny rindrina mijoro ny Tompo ary nisy hofehy pilao teny an-tanany.


Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?»


Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra