I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an’Andriamanitra.
Jeremia 10:14 - Baiboly Katolika Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy. DIEM PROTESTANTA Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory. Baiboly Protestanta Malagasy Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, Sady tsy misy fofon’aina ao aminy. Malagasy Bible Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy. La Bible en Malgache Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy. |
I Iaveh mitsinjo ny zanak’olombelona eny amin’ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an’Andriamanitra.
Mba fantaro kely, ry zana-bahoaka adala! Rahoviana no mba hanana fahalalana ianareo, ry adala?
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy, izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe: Ianareo no andriamanitray.»
Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy; fa olombelona ihany ny mpanao azy! Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!... Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra.
Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,