Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 9:8 - Baiboly Katolika

Hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan’ny fony manao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ho fantatr’izy iray firenena izany, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Samy mahalala izany avokoa ny mpiray firenena rehetra, dia ny fanjakan’i Efraîma manontolo sy ny mponina ao Samaria. Fa tamin’avonavona sy fireharehana no nitenenan’izy ireny hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Samy mahalala izany avokoa ny mpiray firenena rehetra, dia ny fanjakan’i Efraîma manontolo sy ny mponina ao Samaria. Fa tamin’avonavona sy fireharehana no nitenenan’izy ireny hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ho fantatr’izy iray firenena izany, Dia Efraima sy ny mponina any Samaria, Izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony manao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ho fantatr'izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavonany sy ny fireharehan'ny fony manao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ho fantatr’izy iray firenena izany, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony hoe:

Jereo ny toko



Isaia 9:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.


Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;


«Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy, fa sedera kosa no hasolontsika azy.»


dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.