Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin’ny fàfana izany, ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky, hany ka amin’ny andro ho avy dia ho vavolombelona mandrakizay izany.
Isaia 8:1 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› » Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana! DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.» Baiboly Protestanta Malagasy ARY hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: ,,Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.’’ Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza." La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana! |
Koa ankehitriny mandehana soraty eo anatrehany amin’ny fàfana izany, ary ataovy an-tsoratra ao anatin’ny boky, hany ka amin’ny andro ho avy dia ho vavolombelona mandrakizay izany.
Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanana anaka izy, ka niteraka zaza lahy. Ary hoy i Iaveh tamiko: «Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany.
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny boky ny teny rehetra nolazaiko taminao.
Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.
«Mandehana maka horonan-taratasy hafa indray ianao; ka soraty ao avokoa ireo teny voalohany, tao amin’ilay horonan-taratasy voalohany, nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà.
Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.
Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan’ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enimpolo sy enin-jato izany isa izany.
Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efapolo amby zato hakiho araka ny refin’ny olona sy ny an’ny Anjely koa.