Tamin’ny taona faha-52 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka i Faseà, zana-dRomeliasa, tamin’i Israely, tao Samaria. Roapolo taona no nanjakany.
Isaia 7:9 - Baiboly Katolika Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria. Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny lohan’i Efraima dia i Samaria, ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo dia tsy ho tafatoetra! Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lohan’i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia. Raha tsy mety mino hianareo, Dia tsy ho tafatoetra. Malagasy Bible Ary ny lohan'i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan'i Samaria dia ny zanak'i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra. La Bible en Malgache Ny lohan’i Efraima dia i Samaria, ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo dia tsy ho tafatoetra! |
Tamin’ny taona faha-52 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka i Faseà, zana-dRomeliasa, tamin’i Israely, tao Samaria. Roapolo taona no nanjakany.
Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»
Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
ka ianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.
Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io miantso hoe: Dada sy Neny dia hoaterina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny babo azo tamin’i Samaria.»
«Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy, fa sedera kosa no hasolontsika azy.»
dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.
Ny hisian’izany dia noho ny helok’i Jakôba sy noho ny fahotan’ny taranak’i Israely. Inona no helok’i Jakôba? Tsy i Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’i Jodà? Tsy i Jerosalema va?
Ny tenin’ny mpitondra sy tompon-tsambo anefa no ninoan’ny kapiteny noho ny an’i Paoly.
Koa amin’izany, matokia ianareo, ry sakaiza; fa matoky an’Andriamanitra aho, ka ho tanteraka izay voalaza tamiko.
Marina ihany izany; ireny dia notapahina noho ny tsy finoany, fa ianao kosa natsofoka noho ny finoanao; ka aza miavonavona, fa matahora.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.