Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 7:6 - Baiboly Katolika

Andeha isika hananika an’i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary haka azy ho antsika dia hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

‹Andeha isika hiakatra hamely an’i Joda mba hampitahotra azy, ka hoterentsika hanaraka antsika izy; dia ilay zanakalahin’i Tabeela no hatsangantsika hanjaka ao aminy.›

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

‹Andeha isika hiakatra hamely an’i Joda mba hampitahotra azy, ka hoterentsika hanaraka antsika izy; dia ilay zanakalahin’i Tabeela no hatsangantsika hanjaka ao aminy.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika Ka hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary haka azy ho antsika dia hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,

Jereo ny toko



Isaia 7:6
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony hitan’i Israely rehetra fa tsy nohenoin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka: «Manana anjara amin’i Davida moa izahay? Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isay akory izahay! Koa samia ho any an-dainao, ry Israely! fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao.» Dia lasa i Israely nankany an-dainy.


Fa i Jôsabà zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.


Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.


Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin’ny taranany mandrakariva.


Natolotr’i Iaveh Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria izy, ka noresen’ny Sirianina, dia nahazoany sambo-belona maro be nentiny nankany Damasa. Natolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Israely koa izy, ka nasiany sy nataony hoto mihitsy.


Hofongoranao eo amin’ny tany ny taranany, ary eo amin’ny zanak’olombelona ny tamingany.


Fa indreto mikofokofoka amim-pitabatabana ny fahavalonao, misolanandrana erỳ izay mankahala Anao.


maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.


Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Joatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema, i Rasima mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.


Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!


«Satria ity firenena ity nanazimba ny ranon’i Siloe misononoka fandeha, sy mifaly noho ny amin-dRasìna sy ny zana-dRomelia,