Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.
Isaia 48:3 - Baiboly Katolika Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka Aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny; naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany. DIEM PROTESTANTA Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny, Ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany. Malagasy Bible Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany. La Bible en Malgache Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny; naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany. |
Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.
noho izany, io heloka io ho anareo, dia ho toy ny mivava efa mila hampianjera sy efa mandomba eo amin’ny rindrina avo, izay mirodana tampoka, indray mihelina monja.
Noho ianao misafoaka amiko, sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko, izaho kosa hametraka ny masom-biko amin’ny oronao sy ny lamboridiko eo amin’ny vavanao, ka hamerina anao amin’ny lalana niavianao».
Fa indro Aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin’ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny.»
Aoka hasehony sy hambarany amintsika, izay zavatra ho avy! Ambarao izay zavatra taloha, mba inona sy inona avy ireny? hiezaka handinika izany ny fonay, hahalalanay izay nahatanterahany! Na hoe ampandreneso anay, izay zavatra ho avy!
Izaho no voalohany nilaza tamin’i Siôna hoe: «Indro! indreo izy.» ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly hoe an’i Jerosalema Aho.
Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.
Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»
Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.