Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 42:9 - Baiboly Katolika

Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny amin’ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, Dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko



Isaia 42:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Homeko foko iray ny zanany mba hananan’i Davida mpanompoko, fanilo eo anatrehako mandrakariva, any Jerosalema izay tanàna voafidiko hametrahako ny Anarako.


Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.


Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka Aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo.


dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»


Efa nandre izany ianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao Aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.


Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rehefa tanteraka fa Izaho Aho.


izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatrizay hatrizay izany.