Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 30:5 - Baiboly Katolika

Mangaihay avokoa izy noho izany firenena izany tsy hahefa na inona na inona aminy, tsy hahazoany vonjy na fanampiana fa henatra sy fahafaham-baraka foana ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ny firenena tsy mahasoa azy, izay tsy manampy na mahasoa, fa mahatonga henatra sy latsa ho azy kosa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izy rehetra samy ho diso fanantenana amin’io firenena izay tsy hahasoa azy io, firenena tsy hahavonjy na hahasoa azy akory, fa handiso fanantenana sy hitondra latsa aza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izy rehetra samy ho diso fanantenana amin’io firenena izay tsy hahasoa azy io, firenena tsy hahavonjy na hahasoa azy akory, fa handiso fanantenana sy hitondra latsa aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ny firenena tsy mahasoa azy, Dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, Fa tonga henatra sy latsa kosa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ny firenena tsy mahasoa azy, izay tsy manampy na mahasoa, fa mahatonga henatra sy latsa ho azy kosa.

Jereo ny toko



Isaia 30:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?


Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.


Ho zava-poana sy tsinontsinona ny vonjin’i Ejipta; izany no iantsoako azy hoe: Ilay be rehaka mipetra-poana.


Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan’izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok’i Faraôna amin’izay rehetra matoky azy.


Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao! Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao, toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.