Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Isaia 3:7 - Baiboly Katolika Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe: «Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hanangam-peo izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mpitsabo aho ary tsy misy hanina na fitafiana ao an-tranoko; koa tsy azonareo apetraka ho mpanapaka amin’ny olona aho! DIEM PROTESTANTA Fa hamaly izy amin’izay andro izay hoe: «Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho, tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko, koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hamaly izy amin’izay andro izay hoe: «Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho, tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko, koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hamaly izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. Malagasy Bible Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. La Bible en Malgache Dia hanangam-peo izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mpitsabo aho ary tsy misy hanina na fitafiana ao an-tranoko; koa tsy azonareo apetraka ho mpanapaka amin’ny olona aho! |
Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
Dia narianao avokoa va i Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna? Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.
Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanaka vavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?
tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!
Rehefa nahita ny aretiny i Efraima, ary i Jodà ny ratrany, dia nankany amin’i Asora i Efraima ary naniraka ho any amin’ny mpanjaka anankiray izy hamaly ny ratsy natao taminy; tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.
Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon’ny Andriamanitsika?
Eny manangana ny tanako manandrify ny lanitra Aho no manao hoe: Velona mandrakizay Aho!