Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Isaia 3:16 - Baiboly Katolika Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka sady kasikasy fandeha ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, DIEM PROTESTANTA Hoy koa ny TOMPO hoe: «Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy koa ny TOMPO hoe: «Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, Malagasy Bible Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona* ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka sady kasikasy fandeha ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, |
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
Mivoaha, ry zanaka vavin’i Siôna, jereo i Salômôna mpanjaka, misatroka ny satroboninahitra, nasatro-dreniny azy amin’ny andro ampakarany vady, amin’ny andro ifalian’ny fony.
Ary ny zanaka vavin’i Siôna dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanimboaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.
Ny tany misaona sy majifa; izao tontolo izao, milofika sy majifa; ny nalaza indrindra amin’ny mponina eto an-tany milofika.
Fa indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika, hanesotra amin’i Jerosalema sy i Jodà, ny vonjy aman-tohana rehetra,
dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna, ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.
Amin’izany andro izany, hoesorin’ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana,
Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
«Lazao amin’ny zanakavavin’i Siôna hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao. malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak’ampondra mitondra jioga.»
Fa nitodika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio,