Hanome hery ny vahoakany i Iaveh: hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.
Isaia 26:12 - Baiboly Katolika Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao; Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. Malagasy Bible Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. La Bible en Malgache TOMPO ô, manorina fiadanana ho anay Ianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. |
Hanome hery ny vahoakany i Iaveh: hanambina ny vahoakany, amin’ny fanomezam-piadanana azy i Iaveh.
Mamindrà fo amiko Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan’ny fanahiko fiarovana, amin’ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan’ny loza.
Mitaraina amin’Andriamanitra Avo indrindra aho, ilay Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra ho ahy.
Indro i Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo; ny andriandahin’i Jodà mbamin’ny antokon’izy ireo; ny andriandahin’i Zabolôna, ny andriandahin’i Neftalì.
Ho aminay anie ny fanambinan’i Iaveh, Andriamanitray! Hamafiso aminay ny asan’ny tananay; eny, hamafiso ny asan’ny tananay!
Afa-tsy raha mifikitra amin’ny fiarovako ny olona, ka manao fihavanana amiko, ka Izaho no anaovany fihavanana!
Fa izy sy ireo taranany, rehefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy, dia hanamasina ny Anarako izy ireo», hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely. Ireo Mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.
Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Reraka noho ny fandehandehananao matetika ianao; tsy mba nilaza hoe: «Aim-bery foana izany!» Hitanao fa mbola misy hery ny tananao, ka izany no tsy ahatsiarovanao marary.
Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe: «Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky, hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!...»
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Nefa nanao ny ataoko Aho noho ny Anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta.
Nefa naviliko ny tanako, nanao ny ataoko noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
Nefa nanao ny ataoko Aho, noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena nitoerany; sady teo imason’ireo koa no nanaovako izay hahafantarany Ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika,