Raha tsy namelan’i Iavehn’ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin’i Sôdôma, hanahaka an’i Gômôra.
Isaia 24:13 - Baiboly Katolika Fa ny hanjò ny eo afovoan’ny tany eo amin’ny firenena, dia tahaka ny amin’ny fikapohana ôliva, tahaka ny amin’ny fitsimponam-boaloboka, aorian’ny fitoazana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ao anivon’ny tany, ao amin’ny olona, dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva sy fitsimpontsimponam-boaloboka rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. DIEM PROTESTANTA Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ao amin’ny tany, ao amin’ny olona, Dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva Sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, Rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. Malagasy Bible Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. La Bible en Malgache Fa ao anivon’ny tany, ao amin’ny olona, dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva sy fitsimpontsimponam-boaloboka rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. |
Raha tsy namelan’i Iavehn’ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin’i Sôdôma, hanahaka an’i Gômôra.
Izao no hiseho amin’izany andro izany: ny voninahitr’i Jakôba halazo, ny tavin’ny tavany hihamahia.
Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan’i Iaveh ny vary hatramin’ny masondranon’ny Ony, ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.
Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»
Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo.
Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromahailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.
Raha mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, aza mijinja ny sahanao hatrany am-paran’ny sisiny indrindra, ary aza fakoinao izay mbola hotsimponin’ny hafa amin’ny varinao.
Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.
Indrisy! Ity izaho toy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra, toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty: tsy misy salohy iray akory hohanina! Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko, tsy misy na iray aza.
ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany.
Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa atỳ aminao atỳ Sarda, ka ireo hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika.