Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:
Isaia 23:16 - Baiboly Katolika Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan’ny olona anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Makà lokanga ka miveziveze manerana ny tanàna ianao, ry Ikala janga hadino! Mitendre tsara ka mahereza mihira mba hahatsiarovana anao! DIEM PROTESTANTA «Raiso ny lokanganao ka tetezo ny tanàna, ry kala janga hadino. Mitendre tsara ianao ka mahereza mivazovazo mba hahatsiarovana anao.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raiso ny lokanganao ka tetezo ny tanàna, ry kala janga hadino. Mitendre tsara ianao ka mahereza mivazovazo mba hahatsiarovana anao.» Baiboly Protestanta Malagasy ,,Makà lokanga, ka miveziveze eran’ny tanàna hianao, Ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, Mba hahatsiarovana anao’’. Malagasy Bible "Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao." La Bible en Malgache Makà lokanga ka miveziveze manerana ny tanàna ianao, ry Ikala janga hadino! Mitendre tsara ka mahereza mihira mba hahatsiarovana anao! |
Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:
Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga: hamangy an’i Tira i Iaveh, ka handray ny tambiny indray izy, dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany, manerana an’izao tontolo izao.
Ny lehilahinao rehetra, nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao, tamin’ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan’ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao.
Ny nahatonga izany, dia noho ny fijangajangana maro be nataon’ilay vehivavy janga, feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin’ny fankatoavana, izay nivarotra firenena amin’ny fijangajangany sy vahoaka amin’ny fankatoavany.