Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 23:16 - DIEM PROTESTANTA

16 «Raiso ny lokanganao ka tetezo ny tanàna, ry kala janga hadino. Mitendre tsara ianao ka mahereza mivazovazo mba hahatsiarovana anao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Makà lokanga ka miveziveze manerana ny tanàna ianao, ry Ikala janga hadino! Mitendre tsara ka mahereza mihira mba hahatsiarovana anao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 «Raiso ny lokanganao ka tetezo ny tanàna, ry kala janga hadino. Mitendre tsara ianao ka mahereza mivazovazo mba hahatsiarovana anao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan’ny olona anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 ,,Makà lokanga, ka miveziveze eran’ny tanàna hianao, Ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, Mba hahatsiarovana anao’’.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 "Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:16
6 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany, dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, izany hoe mandritra ny andro iainan’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona, dia hihatra amin’i Tiro izay nolazain’ny tonon-kira momba ny mpivarotena hoe:


Rehefa afaka fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra ao Tiro ny TOMPO. Hiverina hanao ny fanaony indray izy ka haka tombony mihoa-pampana amin’ny firenena rehetra eran-tany.


Manadino anao avokoa ireo sakaizanao ary tsy misy miahy anao mihitsy; satria Izaho no nikapoka anao toy ny fahavalo namely anao, ka nofaiziko mafy ianao.


Hatsahatro ny tabataban-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.


Fatra-pijangajanga i Ninive, ilay mpivarotena bikana sy kinga amin’ny fanangolena, sady nangeja vahoaka sy firenena tamin’ny fijangajangana sy ny ody fitia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra