Ianareo tendrombohitra Jelbôe, aza misy ando aman’orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan’ny mahery.
Isaia 21:5 - Baiboly Katolika Ny latabatra atsangana, ny tily miambina, ny olona mihinana sy misotro. - Mitsangàna, ianareo kapiteny! Hosory ny ampinga! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona. Mitsangàna ianareo lehibe! Hosory diloilo ny ampinga! DIEM PROTESTANTA Naroso ny sakafo, navelatra ny lambanana, dia nihinana sy nisotro ny olona. Kanjo vetivety teo nisy niantso hoe: «Mitsangàna, ry mpitari-tafika, hosory menaka ny ampinga!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naroso ny sakafo, navelatra ny lambanana, dia nihinana sy nisotro ny olona. Kanjo vetivety teo nisy niantso hoe: «Mitsangàna, ry mpitari-tafika, hosory menaka ny ampinga!» Baiboly Protestanta Malagasy Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona– Mitsangàna, hianareo lehibe, ka hosory ny ampinga! Malagasy Bible Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga! La Bible en Malgache Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona. Mitsangàna ianareo lehibe! Hosory diloilo ny ampinga! |
Ianareo tendrombohitra Jelbôe, aza misy ando aman’orana intsony eo aminareo na saha fisantaram-bokatra! Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan’ny mahery.
Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy, handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.
Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.
Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro, ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana: dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay, sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin’i Iaveh. -
Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny, ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny, ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo, dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, - izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niadiako tamin’ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e!