Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny.
Isaia 21:15 - Baiboly Katolika Fa izy nandositra teo anatrehan’ny sabatra, teo anatrehan’ny sabatra voatsoaka, teo anatrehan’ny tsipìka voahenjana, teo anatrehan’ny ady mahatsiravina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. DIEM PROTESTANTA Fa nandositra teo anoloan’ny sabatra ireny, teo anoloan’ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan’ny tsipîka nihenjana ary teo anoloan’ny ady mahery vaika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nandositra teo anoloan’ny sabatra ireny, teo anoloan’ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan’ny tsipîka nihenjana ary teo anoloan’ny ady mahery vaika. Baiboly Protestanta Malagasy Fa mandositra ny sabatra ireo, Dia ny sabatra voatsoaka Sy ny tsipìka voahenjana Ary ny havesatry ny ady. Malagasy Bible Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. La Bible en Malgache Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. |
Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny.
Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy. Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon’ny ranobe. Kanjo rahonany ireny, dia mandositra lavitra, dia tafaely toy ny mololo tsofin’ny rivotra eny an-kavoana, toy ny vovoka mitambolimbolina eo anoloan’ny tafio-drivotra.
Ny lehibenao indray nandositra avokoa, voasambotra tsy amin-tsipìka; ny vahoakanao indray azo avokoa, teny am-pandosirana any lavitra any.
Ary i Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr’olombelona; sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy; handositra eo anoloan’ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.
Mandositra ny vahoaka mandre ny feon’ny kotro-baratrao miparitaka ny firenena nony mitsangana Ianao.