Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 10:7 - Baiboly Katolika

Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izay no heverin’ny fony; fa ny handringana no ao am-pony, hamongotra firenena maro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanjo tsy araka izany no heverin’i Asiria; zavatra hafa no kasain’ny fony, ny handringana no tao an’eritreriny ary ny hamongotra firenena maro indrindra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanjo tsy araka izany no heverin’i Asiria; zavatra hafa no kasain’ny fony, ny handringana no tao an’eritreriny ary ny hamongotra firenena maro indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanjo tsy izany no kasainy, Ary tsy izany no heverin’ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izay no heverin’ny fony; fa ny handringana no ao am-pony, hamongotra firenena maro.

Jereo ny toko



Isaia 10:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.


Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?


Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!


ary nanipy ny andriamanitr’ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany.


Ho valin’ny asa nataony namelezany an’i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho Ahy izy ireo - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Avy taminao no nivoahan’ilay misain-dratsy hanoherana an’i Iaveh, izay mamoron-kevitra mahameloka.


dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;


fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,