Isaia 1:18 - Baiboly Katolika Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy. DIEM PROTESTANTA «Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. Baiboly Protestanta Malagasy Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy. Malagasy Bible Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy. La Bible en Malgache Avia ary hifandahatra isika, hoy NY TOMPO. Na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho tonga fotsy tahaka ny orampanala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy. |
Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.
Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana
«Alaharo ny teninareo, hoy i Iaveh, Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny mpanjakan’i Jakôba.
Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao; ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankatỳ amiko! -
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
«Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko, no dia nihataka tamiko izy, ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy.
Tsy hotsarovana intsony ny fahotany rehetra izay nataony; efa nanaraka ny hitsiny sy ny rariny izy, ka ho velona marina tokoa.
Mihainoa ny adin’i Iaveh ianareo, ry tendrombohitra, mbaminareo fanorenan’ny tany tsy azo ovana! Fa manana ady amin’ny vahokany i Iaveh; ka handahatra manohitra an’i Israely Izy. -
Niditra tao araka ny fanaony i Paoly, ary sabata telo no niadiany hevitra tamin’ny olona tao, momba ny Soratra Masina.
Nampianatra isan-tsabata izy tao amin’ny sinagoga ary nampanaiky ny Jody sy ny Jentily.
Nony nilaza ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy i Paoly, dia raiki-tahotra i Feliksa ka nanao hoe: «Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho.»
Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,
Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Koa ankehitriny avia eto anatrehako ianareo, fa tiako ny miantso anareo amin’ny fitsarana eto anatrehan’i Iaveh ny amin’ny soa rehetra nataony taminareo sy ny razanareo.