Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main’ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an’ireny.
Hosea 9:16 - Baiboly Katolika Voa i Efraima, maina ny fakany, tsy hanoa intsony izy ireo; ary na dia miteraka aza izy, hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Voaratra i Efraima, maina ny fotony ka tsy hamoa intsony izy; eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy. DIEM PROTESTANTA Voavely i Efraîma: maina ny fàkany ka tsy hamoa intsony izy. Na dia miteraka aza ny vehivavy ao aminy, dia hataoko maty ihany ny malala naloaky ny kibony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Voavely i Efraîma: maina ny fàkany ka tsy hamoa intsony izy. Na dia miteraka aza ny vehivavy ao aminy, dia hataoko maty ihany ny malala naloaky ny kibony.» Baiboly Protestanta Malagasy Voaratra Efraima, Maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, Dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy. Malagasy Bible Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy. La Bible en Malgache Voaratra i Efraima, maina ny fotony ka tsy hamoa intsony izy; eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny nateraky ny kibony izay mahafinaritra azy. |
Ary indreo kosa nisy salohim-bary fito botry, mahia sady main’ny rivotra avy any atsinanana, izay naniry nanaraka an’ireny.
Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.
ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.
Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
Avy any ivelany, dia hovonoin’ny sabatra ny zaza, ary ao anaty kosa dia hisy fivadiham-po; na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny zaza mbola minono na ny efa antitra.»