Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.
Hosea 6:11 - Baiboly Katolika Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao, raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko. DIEM PROTESTANTA Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako Baiboly Protestanta Malagasy Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, Rehefa ampodiko avy amin’ny fahababoana ny oloko. Malagasy Bible Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko. La Bible en Malgache Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko. |
Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.
Fihirana fiakarana Fony i Iaveh nampody ny voababon’i Siôna, dia toa nofy izany ho antsika.
Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana amin’ny fotoana fanosena azy, ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy, ny andro fararano.
Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.
Ho faritany ho an’ny sisa amin’ny taranak’i Jodà izany, hiandry ny ondriny eo izy; dia handry ao amin’ny tranon’i Askalôna nony hariva, fa hamangy sy hanangana azy indray i Iaveh Andriamaniny.
Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin’ny Tempoly, niantso tamin’ny feo mahery, ka nanao tamin’ilay nipetraka tambonin’ny rahona hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka mijinjà, fa tonga ny taom-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.