Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: «Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’i Iaveh.
Hosea 14:6 - Baiboly Katolika Ho toy ny ando Aho amin’i Israely; ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Israely; hamony tahaka ny lisy izy ary hamaka tahaka an’i Libanona. DIEM PROTESTANTA Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamàka tahaka ny hazon’i Libàno. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho tahaka ny ando mahasoa azy Aho; dia hamony tahaka ny lisy izy ary hamàka tahaka ny hazon’i Libàno. Baiboly Protestanta Malagasy Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy Ary hamaka tahaka an’i Libanona. Malagasy Bible Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona. La Bible en Malgache Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Israely; hamony tahaka ny lisy izy ary hamaka tahaka an’i Libanona. |
Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy, nanao hoe: «Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’i Iaveh.
Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa, ao an-tokantranonao. Ny zanakao manahaka ny zanak’ôliva manodidina ny latabatrao.
Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.
Amin’ny andro ho avy i Jakôba handatsa-paka, i Israely hamony sy hitsimoka, ary hofenoiny amin’ny vokany izao tontolo izao.
ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.
Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy, no anarana nomen’i Iaveh anao. Ary tamin’ny horakoraka be, no nandrehetany afo taminy, ka tapaka ny rantsany.
Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an’i Iaveh isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.