Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 12:5 - Baiboly Katolika

Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, nitolona tamin’Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko



Hosea 12:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe: «Eto amin’ity fitoerana ity tokoa i Iaveh, fa izaho tsy nahalala izany.»


Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»


Niseho tamin’i Jakôba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy.


Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao: Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana Anao.


Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao; nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.


Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»


Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.